SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Tunis Tunisie, ny 2 hatramin’ny 8 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate. Anisan’ireo handray anjara amin’izany i Madagasikara. Efa miatrika fanazaran-tena isan’andro ireo Malagasy mpilalao, araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny karate.

Hotontosaina ny 26 hatramin’ny 28 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja Echec, sokajy zandriny U7 – U17. Ma­rihina fa hanomboka ny zoma ho avy izao, amin’ny 8 ora maraina, eny an-toerana, ny fifanintsanana.

Faritra enina eto Madagasikara no hampiantrano ny fifaninanana nasionalin’ny sokajy vehivavy, U17, taranja baolina kitra. Anisan’izany ny eto Antananarivo, Ambatondrazaka, Antsiranana, Mahajanga, Toliara ary Ambalavao. Tsiahivina fa hanomboka ny 28 jolay hatramin’ny 7 aogositra izao ny fifanintsanana.

Miteraka resabe ao amin’ny klioban’ny Paris Saint Germain (PSG) France, ny hangalan’izy ireo an’i Oshimen, nizerianina milalao ao amin’ny Naples, Italie. Nilaza ny gazety frantsay iray, omaly, fa efa maro
loatra ireo lohalaharan’ny PSG. Raha tonga i Oshimen, tokony hamidy ny iray amin’i Kolo Muani sy Gonçalo Ramos.

Partager sur: