Niverina nidina 16 000 dolara ny iray taonina amin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena raha efa nahitam-piakarany hatrany amin’ny 19 000 dolara izany taloha.
Manodidina ny 16 000 dolara ny iray taonina amin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena raha toa ka efa tafakatra 19 000 dolara izany ny volana mey teo. Mahatonga izany ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady. Mitobaka ny tolotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena raha mihena kosa ny tinady. Noferan’i Sina ihany koa ny fividiana nikela tamin’ny taon-dasa ka antony mampitotongana ny vidin’ity akora ity. Ankoatra izay, miroborobo ny teknolojia vaovao miala amin’ny fampiasana nikela izay mamokatra vatoaratra ampiasaina amin’ny fiara mandeha amin’ny herinaratra. Vokany, miantraika mivantana eo amin’ny sehatry ny famokarana sy ny ny tontolon’ ny toekarena ny zava-misy maneran-tany. Nihena hatrany amin’ny 64% ny tahan’ny fanondranan’i Madagasikara ny nikela tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nilatsaka hatrany amin’ny 38,4% ny habetsaky ny vokatra ary nihena 41,6% ihany koa ny vidiny. Lasibatr’izao tranga izao ihany koa ny sehatry ny kobalta. Nandritra io vanim-potoana io, nihena 24% ny vola azo tamin’ny kobalta na dia niakatra7,9% aza ny tahan’ny fanondranana nataontsika.
Fepetra
Nandray fepetra avy hatrany Ambatovy hiantohany fitohizan’ny fiodinan’ny orinasa. Misy ny ezaka anatiny hampihenana ny fandaniana eo anivon’ny orinasa. Voatery nahemotra ihany koa ireo tetikasa hotanterahina amin’ity taona ity izay mahavoakasika orinasa samihafa.
Tsiahivina fa manodidina ny 36 000 t ny vokatra nikela avy ao Ambatovy ny taona 2023, raha 3 300 t kosa ny kobalta. Taham-pamokarana manakaiky ny 40 000 t izay mbola anisan’ny marin-toerana nandritra ny taona vitsy.
Henintsoa Hani