Tsipy kanetibe: hiatrika «Tournée Estivale 2025» izay voalohany

Hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny tsipy kanetibe. Fifanintsanana hatao eny amin’ny kianja Fitaratra Ton­garivo Tanjombato ary natokana ho an’ny sokajy olon-droa miaraka. Araka ny lalàna mifehy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, natao ho an’ireo mpilalao ma­nana kara-pilalaovana ara-dalàna izany.
Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanana ity satria ho voafantina mialoha ao anaty ekipam-pirenena izay voahosotra tompondaka amin’ity. Ankoatra izay, anisan’ireo hiatrika ny «Tournée Estivale» hatao any Frantsa, amin’ny taona 2025. Tsiahivina fa anisan’ireo efa mifaninana amin’izany ny Malagasy mpilalao amin’izao fotoana izao.
Hahazo tapakila mandroso sy miverina Antananarivo sy La Réunion ihany koa ireo mpandresy amin’ity. Ankoatra ny amboara ho an’ny mpilalao, hahazo ny anjarany koa ny klioba.
Hotolorana amboara sy le­lavola mitentina 1 tapitrisa Ar ny faharoa raha medaly sy 350 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Ho an’ny sokajy Senior, vehivavy sy ny zandriny ary ny “vétéran” indray, amboara sy lelavola 700 000 Ar ny an’ny tompondaka.
Marihina fa ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara ity dia ao anatin’ny fifaninanana hahazoana isa.

Tompondaka

Partager sur: