Faribolana Sandratra : hanolotra ny «Telolafy» i Aro sy i Gazela Meva ary i Irà

Mpanoratra samy manana ny mampiavaka azy. Tsy hanalavitra izay ihany koa ny antsan- tononkalo hotanterahin’i Aro sy i Gazela Meva ary Irà, ny faran’ny herinandro izao. Haneho ny maha izy azy ny tsirairay.

«Telolafy», io indray no lohatenin’ny antsan-tononkalo hotanterahin’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina, ny 27 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. I Aro, sy i Gazela Meva ary i Irà, poeta telo mianadahy, samy manana ny maha izy azy, samy manana ny mampiavaka azy ihany koa no hiaka-tsehatra amin’io fotoana io. ««Telolafy», satria, sanganasa ahitana lafin-tsoratra sy lafin-kevitra samihafa no ho heno eny an-tsehatra. Kanefa koa manana ny ifandraisany izy ireo», hoy i Gazela Meva. Sady tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taonan’ ny Faribolana Sandratra ny antsan-tononkalo «Telolafy», no seho mamarana ny taom-piantsana rahateo.
Handravaka io antsan-tononkalo io, hisy ny hira hokaloin’ny tarika Mihirà sy dihy hiangalian’ny tarika G’Nuine. Toy ny fanaony isaky ny sabotsy fahefatry ny volana, manatanteraka antsan-tononkalo ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy ny Faribolana Sandratra. Nota­zo­nina hatrany ny tsy fisian’ny vidim-pidirana sy famelarana ny tontolon’ny asa soratra amin’ny alalan’ny fahafahan’ ny rehetra hanjifa ny boky mirakitra ny sanganasan-dry Irà sy Aro ary Gazela Meva.
Raha tsiahivina, poeta samy manana ny maha izy azy (samy manana ny manavanana azy) i Irà sy i Gazela Meva ary i Aro. I Gazela Meva, mirona kokoa any amin’ny fanehoana ny tontolon’ny fitiavana sy ny lalam-piainana maha reny, rehefa manoratra tononkalo sy tantara fandefa amin’ny Radio. I Irà, havanana amin’ny famoahana ny hasin’ny tanindrazana sy ny tenin-drazana ary ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mirona kokoa any amin’ny tontolon’ny finoana kosa ny sanganasan’i Aro. «Na izany aza, misy ny fitovian’ny lohahevitra eo amin’ny sanganasanay», hoy hatrany i Gazela Meva.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: