Faritan’Antananarivo: napetraka ny samboadin’ny depiote

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Gara Soarano, ny lanonana nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny samboady ho an’ny filoha lefitry ny Antenimieram­pi­renena ho an’ny faritanin’Anta­na­narivo sy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto amin’ny faritra Anala­manga sy Itasy ary ny tao Tsi­roanomandidy. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Anteni­mie­rampirenena, Tokely Justin. Nanotrona izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, Jly Ra­va­lomanana Richard, sy ireo filoha lefitry ny Antenimieram­pi­renena avy amin’ny faritany hafa, ireo olona manan-kaja sy olom-boafidy ary olom-boatendry samihafa.
Hanomboka ny adidy sy ny andraikitra goavana nankinin’ny vahoaka aminy ireto solombavambahoaka vao nahazo ny toerany ireto. «Vonona izahay hanatanteraka am-pitiavana sy am-pahamendrehana ny adidy sy andraikitray, amin’ny maha solombavambahoaka anay. Hanompo sy hanome valim-babena ireo vahoaka nifidy anay», hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo, nisolo tena azy valo mianadahy notolorana samboady.

Lin

Partager sur: