INDRAY MIJERY

Ahitana fiakarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Avo telo hatramin’ny efatra heny mihoatra ny fetran’ny OMS ireo refy rehetra voaray. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho mankarary ireo olona marefo ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo. Tombanana mbola hitoetra ny zavona ny maraina amin’ny ankamaroan’ny faritra maro amin’ny afovoan-tany sy ny faritra atsimo ary ny ilany atsimo atsinanan’i Madagasikara.
Tontosa ny lalao manasa-dalana sy famaranana ny fifaninanana ara-panabeazana andiany faharoa « Kinga show 2ème édition » tao amin’ny Institut Confucius, Ankatso, ny faran’ny herinandro teo. Nizara sokajy roa ireo mpianatra nifaninana : ireo latsaky ny 14 taona sy ireo latsaky ny 18 taona. Lelavola 5 000 000 Ar no azon’ny mpandresy eo amin’ny sokajy latsaky ny 18 taona raha 3 000 000 Ar miampy tapakila fiaramanidina no azon’ny mpandresy eo amin’ny sokajy latsaky ny 14 taona.
Miditra amin’ny dingana famaranana ny asa fanamboarana ny lakandrano C3 ny tetikasa Produire. Ampahany mirefy 6 km no harenina amin’ny 12 km. Anisan’ny asa savaranonando ho amin’ny asa fanadiovana ny lakandrano C3 io hotanterahana io. 80%-n’ny asa no vita soa aman-tsara ankehitriny. Nisaorana manokana ny mpivarotra izay nanaiky ny fandaminana sy niara-niasa nahatontosa ny fanadiovana.
Mitohy ny fikarakarana ireo marary mila fandidiana ataon’ny sambo hopitaly Merci Ships ao Toamasina. Iantohana avokoa ny fivezivezen’ny marary sy ny fikarakarana manontolo. Misy ireo mpilatsaka an-tsitrapo malagasy miara-miasa amin’ireo dokotera sy mpandraharaha ao anatin’ny sambo izay manampy amin’ny fitsaboana

Partager sur: