«Ligue des champions d’Afrique»: hatao atsy Maorisy ny lalaon’ny Disciples sy ny Orlando Pirates

Nanambara tao amin’ny tambajotra serasera, omaly, ny Disciples FC fa hatao atsy Maorisy ny lalao mandroso tokony horaisiny eto Mada­ga­si­kara, eo amin’ny dingana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Li­gue des champions”. Fihao­na­na, hikatrohany amin’ny Orlando Pirates Afrika Atsimo.
Hotanterahina ao amin’ny kianja Complexe Côte d’Or Stadium, ny 18 aogositra ho avy izao, izany fihaonana eo amin’ny roa tonta izany. Noho ny tsy fananan’ny Malagasy kianja ankatoavin’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF) ny antony. Tsy maintsy nitady vahaolana ka nanao fifampiraharahana tamin-dry zareo Maorisianina ny tomponandraikitra eo anivon’ny Disciples FC, mba hahazoana manao ny lalao.
Ny fihaonana miverina kosa, afaka herinandro, hatao atsy Afrika Atsimo. Miantso ireo malala-tanana sy ny fitondram-panjakana ny Disciples FC, hanampy azy ireo amin’izao fiatrehana ny lalao an-tanin’olona izao satria tsapa fa mavesatra ho an’ny klioba izany. Na izany aza, manantena ny fanohanan’ireo Mala­ga­sy maro mipetraka atsy amin’ ity Nosy rahavavy ity ihany koa ny Disciples FC hifanome tanana araka izay azo atao. Hatreto aloha, tsy mbola afaka hankahery ny ekipany indray ny Malagasy fa mionona amin’ny fijerena fahitalavitra raha toa ka handeha mivantana ny lalaon’ny roa tonta.

Tompondaka

Partager sur: