«Mada Jeunes 2024»: horaisin’Analamanga ny fifaninanana

Hotanterahina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball. Hanomboka ny 2 aogositra izany ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 10 aogositra 2024. Sokajin-taona telo na eo amin’ny tovolahy na ho an’ny tovovavy no hifaninanana dia ny «minime, cadet, junior».

Hiverina eto Analamanga indray izany ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, taorian’ny fandraisan’ny faritra Boeny izany, ny taona 2023. Raha tsiahivina, nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy “junior” lehilahy ny CHBF avy any Matsiatra Ambony raha ny HC Est avy any amin’ny ligin’Atsimo Andrefana ny teo amin’ny “cadet” ary ny Vasia avy any Ihorombe no teo amin’ny “minime”.

Inoana fa mbola hiaro ny anaram-boninahitra efa azony ireo ekipa telo ireo. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo ligim-paritra handray anjara amin’ity. Hatreto, tsy mbola fantatra ny ho isan’ireo ekipa hifaninana. Ny azo antoka fa hanana solontena dia ny ligin’Analamanga, mpampiantrano.

Tompondaka

Partager sur: