“Voalohany, tsy misy ny finiavana politika hanatanteraka an’izay; faharoa, tsy matoky tena na atosika omena toerana aza ny vehivavy indraindray; fahatelo, ny lafiny kolontsaina eto Madagasikara mbola mametraka ny 70 %, na lahy na vavy, hoe aleo ny lehilahy no hitana ny andraikitra ambony”. Io ny fanazavan’ny manampahaizana momba ny miralenta eo anivon’ny African Women Leaders Network (AWLN), Razafindehibe Nathalie, ny amin’ny sakana amin’ ny miralenta eto Madagasikara amin’ny fitantanam-panjakana. Nisy ny atrikasa nakan-kevitra teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, afakomaly, niarahana tamin’ny Comesa. Miteny ireo mpiara-miombon’antoka hoe 50% ny lehilahy, 50% ny vehivavy eo amin’ny fitantanana. Tsy tongatonga ho azy izany, fa mila ezaka avy amin’ny tsirairay.
An-dalana ny fametrahana politikam-pirenena momba ny miralenta niaraha-midinika tamin’ny Comesa tamin’ ny atrikasa, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, i Kola Emi-Haulain, nanokatra ny atrikasa. Nampahafantarina ny politikan’ny Comesa momba ny miralenta hahazoana mifanakalo hevitra hanatsarana izay politika izay. Eo am-pandrafetana izany i Madagasikara amin’izao. Amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny Comesa, atao mifanindran-dalana amin’ny politikan’ny Comesa izany.
R. Nd.