Nirefodrefotra ny basy teny Ilafy: jiolahy telo maty voatifitry ny polisy

Tsy nifankandrenesana ny poa-basy teny Ankadikely Ilafy. Lavon’ny balan’ny Fip ny jiolahy telo lahy nitam-piadiana, afakomaly.

Ravan’ny polisin’ny Fip ny andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana mi­tam-piadiana teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly. Nanomana paikady, nitetika hanao ny asa ratsy mahazatra azy ireo mpandroba ireo. Na­haray loharanom-baovao hatry ny ela anefa ny mpitandro filaminana ka niandry kendry tohina ireo olon-dratsy. Nifampi­taona teny Ambohibe, araka izany, ireo jiolahy ary nikasa hanatanteraka ny fandrobana. Nanao vela-pandrika ny polisy ka raikitra ny sakoroka. Vo­ka­ny, lavo ny telo lahy tamin’ireo jiolahy. Tafaporitsa­ka ny na­ma­ny iray. Nahatra­rana fitaovam-piadiana toy ny basy mi­isa roa niampy bala teny amin’ izy telo lahy maty voatifitra ireo. Tsy vaovao amin’ny polisy intsony, efa mpangalatra mi­tam-piadiana teto an-dRe­nivohitra sy ny manodidina ha­try ny ela ny roa tamin’ireo lavo.
Karohina ny namany
Mitohy ny hazalambo ataon’ ny mpitandro filaminana ny jiolahy mpiray tsikombakomba amin’ireo telo voatifitra ireto. Namaly tifitra ny polisy hisambotra azy ireo efa-dahy ka afa-nandositra tamin’io fotoana io ilay jiolahy namany. Tsiahivina, maty voatifitra ny mpitandro filaminana teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadi­kely Ilafy ny jiolahy telo lahy, ny faran’ny volana febroary teo. Ni­ka­sa haka an-keriny teratany va­hiny teny an-toerana izy ireo. An­koatra io, mpamaky trano roa lahy koa lavon’ny tifitry ny zan­­dary tsy lavitr’io fokontany io, tao Manazary, ny volana janoary.

Tsiferana R.

Partager sur: