Rap Gasy : tafaverina indray ny « Fantsy line »

Fifaninana anisan’ny nanamarika ny taona 2013 tany ho any ny « Fantsy line ». Tafaverina indray izy ankehitriny, amin’ny endriny nohatsaraina amin’ny maha fifaninanana ara-javakanto azy.

Hotanterahina ny 27 jolay 2024, eny amin’ny PK 0 Soarano, ny dingana famaranan’ny « Fantsy li­ne 2024 ». Mandritra ny tapany voalohany, ao anatin’ny hetsika “Urban mood”, no hanaovana izany hetsika izany. Ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana ary ny dingan’ny famaranana no hotanterahina mandritra io fotoana io. Anisan’ny nanandratra mpa­nakanto, miangaly ny gadona Rap maro ny “Fantsy line” izay tanjon’ny hetsika rahateo.

Ny taona 2013 no nisian’ny “Fantsy line”, nokarakarain’ny vondrona Gasy Ploit. Miverina indray izy ankehitriny ho fitiliana sy fanandratana ireo talenta vaovaon’ny Rap Gasy. Marihina fa efa tontosa ny 17 jolay 2024, teny amin’ny Ethnika Analakely, ny dingana fifanintsanana. Valo mirahalahy, araka izany, no tafakatra hiatrika ny dingan’ny famaranana amin’ny 27 jolay 2024. “Mbola tsy malaza fa efa tsara kalitao sy avo lenta ny seho nataon’ireo mpifaninana, nandritra ny fifanintsanana”, hoy i Agrad, mpikarakara. Ireo efa tompondakan’ny “Fantsy line” tamin’ny andiany teo aloha no hitsara izany dingan’ny famaranana izany, anisan’izany i Askin sy i Bab’s, ireo voasokajy ho andrarezin’ny Rap Gasy.

Amin’ny maha zavakanto ny Rap Gasy, mitaiza sy manabe ihany izy. Anisan’ny ahitana izany koa, araka izany, ity fifaninanana ity. Misy ny fitsipika mifehy ny “Fantsy line”. Anisan’izany ny tsy tokony hahitana fihantsiana sy teny tsy mendrika ary teny maneho fanavakavahana vo­lon-koditra na firazanana. Anisan’ny hitsarana ny mpifaninana ny fahafehezany ny fiakarana an-tsehatra, ny kalitao sy ny votoatin’ny lahatsorany. Hisy kosa ny fanohanana ataon’ny mpikarakara, ho an’ny mpandresy. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaizana sy ny fanorona lalana azy hahatongavany ho mpanakanto matihanina.

Lin

Partager sur: