Razanamahefa Désirée Stella : “Miantoka ny fifidianana azo itokisana ny fampiharan-dalàna”

Hanao ahoana ny fifidianana kaominaly? Na izay antoka amin’ny fanatanterahana azy… Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella.

Gazety Taratra (*): Inona no azo arenina avy hatrany amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly?
– Razanamahefa Désirée Marie Stella (-): Hatramin’ny 6 aogositra no iandrasana ny didim-panjakana fihaikana mpifidy amin’ny fifidianana kaominaly. Raha tsy mivoaka amin’izay io, tsy mbola amin’ny 6 novambra ny fifidianana fa aorian’izay. Ny lalàna no manery hoe 90 andro farafahakeliny alohan’ny datim-pifidianana. Azo arenina na tamin’ny fifidianana filohan’ ny Repoblika na fifidianana depiote, ohatra: ambony be ny anto-bola firotsahan-kofidina. Fanilihana ny manam-pahavononana tsy afa-mirotsaka izay, indrindra ny vehivavy. Azo hatsaraina izay amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Eo koa, ohatra, ny fametrahana ireo rafitra voalazan’ny lalàna. Ao anatin’izay ny ANRCM tsy voapetraka hatramin’izao momba ny fitantanana haino vaky jery. Ny CCFVP koa tsy mbola tena afa-mihodina noho ny enti-manana azy. Azo arenina mialoha ny fifidianana kaominaly izany.
* Ny tokony hataon’ny olom-pirenena amin’ny fiatrehana ny fifidianana?
– Tsara fantany ny asan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Ny kaominina no rafitra manakaiky azy indrindra. Ny ben’ny Tanàna no tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana mivantana ny kaominina amin’ny fanorenana sekoly, hopitaly, lalana, tsena… Ny mpanolotsaina no manapaka an’izay, fa mifandraika ny asan’izy ireo. Anjaran’ny vahoaka ny mijery hoe: iza amin’ireo kandidà no mahavita an’izay?

* Ahoana ny amin’ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana?
– Anisan’ny nanaovanay fanairana ny momba ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana. Samy niteny hoe nisy ny hala-bato ireo antoko mpanohana fitondrana na mpanohitra. Azo tadiavina izay manao izany; rehefa fantatra, azo saziana: misy fandoavana lamandy na famonjana. Miantoka ny fifidianana azo itokisana izay fampiharan-dalàna izay. Ny vokatry ny tsy fampiharana sazy, lasa fifaninanana amin’ny ratsy na tsy fanarahan-dalàna ny fifidianana: izay mahay mangalatra no mahazo vato. Tsy izay nofidin’ny olom-pirenena no voafidy fa izay mahay mangalatra.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: