Reko Band – 5 taona : seho alohan’ny farany eto Antananarivo

Anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny Reko Band amin’izao fotoana izao. Maro ny karazan-tseho efa tontonsa, tamina toerana samihafa arakaraka ny filan’ny mpankafy. Hafa noho ireo efa nisy ity hotontosaina etsy amin’ny La Balançoire ity, ny alakamisy iray aogositra, manomboka amin’ny 7 hariva. Fotoana hizaran-dry Fy ny sanganasany manakaiky kokoa ireo mpankafy indray io. Aorian’izay, hihazo an’i Mo­ramanga ry zalahy ny 9 aogositra ary any Mahajanga kosa ny 24 sy 25 aogositra.
Mbola hisy ny seho goavana ho famaranana ny faha-5 taona, izay hataon’ny Reko Band eto Antananarivo.
Ankoatra izay, fantatra fa hisy ny «live shopping» ao amin’ny pejy Reko Collection, ny talata 30 aogositra izao, manomboka amin’ny 12 atoandro.

Zo ny Aina

Partager sur: