Rugby – Top 12: “Vonona foana ny Uscar na tsy misy filoha aza”, hoy i Benja SG

Noho ny olana anaty, nametra-pialana ny filohan’ny fileovana Uscar, taranja rugby. Manoloana izany, fiaraha-mitantana ny hitondrana ny ekipa. “Vonona foana izahay na tsy misy mpitondra aza”, hoy Randriamanantena Benjamin, sekretera jeneralin’ny Uscar.

Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny Uscar ao anatin’izao taom-pilalaovana izao ?
R.Benjamin (-) : Eo ihany ny klioban’ny Uscar rugby fa tsy hoe miala lavitra akory. Manomana ary efa ao anatin’ ny fifaninanana “Top 12” mi­hi­tsy ary vonona hanatanteraka izany hatramin’ny farany.

* Amin’ny maha sekretera jeneralin’ny klioba anao, marina ve fa tsy misy filohany ny Uscar, amin’izao fotoana izao?
– Araka ny efa renareo, marina fa nametra-pialana ny filoha mpitantana teo aloha. Na izany aza, tsy miraviravy tanana amin’izany ny klioba fa miezaka hatrany mandroso amin’ireo lalao rehetra atao.

*Olana anaty ve no nialany ary iza no mitantana ny Uscar amin’izao?
– Eny tompoko, olana anatiny tao aminay samy izahay ihany ilay fametraham-pialany ka tsy maintsy izahay ihany no mamaha azy. Hatreto, ny tenako amin’ny maha sekretera jeneraly no mitondra vonjimaika fa fiaraha-mitantana ny Uscar.

*Manoloana izany ve, mbola manana fahavitrihana ireo mpilalao?
– Amin’izao ary vao tena avo roa heny ny fahavononan’ireo mpilalao satria manana herijika noho ilay fitantanana vaovao, ary manohana sy manampy mivantana ireo tomponandraikitra isan-tokony dia ny talen’ny tsena, ny maha olona, ny misahana ny lalàna ary ny mikarakara ny fanatanjahantena.

* Inona àry ny hafatry ny se­k­retera jeneralin’ny Uscar?
– Aoka isika klioba mandray anjara rehetra ho sarotiny amin’ny fitsipika sy ny sata mifehy ny klioba fa ny tsy fanajana izany no nahatonga ilay korontana tato amin’ny Uscar. Rehefa mafy sy matanjaka ireo mandroso dia tsy rava ny ekipa.

Dinika nangonin’i Torcelin

Partager sur: