Efa nivaly avokoa ireo fanadinana isan-tsokajiny ho an’ny ivontoeram-panofanana sy lisea teknika manerana ny Nosy, nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arakasa. Nahafa-po ny vokatra azo amin’ny ankapobeny, hoy ny tomponandraikitra.
Ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny amin’ny LTP. Miisa 42386 ny mpiadina tonga teny anivon’ny foibem-panadinana 183. Nahatratra 24 065 no voaray manerana ny Nosy. Manome ny taham-pahafahana 56,78%. Momba ny fanadinana ahazoana ny Brevet d’Etudes Professionnelles (BEP), izay nahitana mpiadina 9846 ka 89 ny foibe-panadinana. Mpiadina 8 097 no afaka izay manome taham-pahafahana 82,24%. Ho an’ny fanadinana ahazoana ny Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA), misy mpiadina 147 teny anivon’ny Ary mikasika ny fanadinana ahazoana ny Certificat d’Aptitude Professionnelle (CAP) nahitana mpiadina 1214, mizara amin’ny foibe-panadinana 39. Mpiadina 1 089 no nahazo ny CAP ka 89,70% ny taham-pahafahana.
Miatrika ny fanadinana bakalorea amin’ity herinandro ity ny mpianatra avy amin’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Manao tantsoroka ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, izay tompon’ny fanomanana sy fikarakarana ny fanadinana bakalorea ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanohanana arakasa.
Vonjy