320 ny trano mora natsangan’ny fanjakana eny Imerintsiatosika. Nihaona tamin’ireo olona nahafeno fepetra sy efa vita fisarihana hisitraka izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana, ary nitondra fanazavana ny amin’ny dingana fandoavam-bola. Nampahafantarina azy ireo ny fahafahan’ny sokajin-tokantrano tsirairay manefa ny vidin’ny trano ary ny fanohizana ny dingana manaraka ho fisitrahana tanteraka ny trano. Eo am-pamaranana ireo asa sisa tavela eny an-toerana (fefy sy fanajariana ivelany) ny fanjakana. Afaka manatona ny Analogh manomboka izao ireo hisitraka ny trano amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-barotra. Azo atao ny manefa ny vidin’ny trano mandritra ny taona maro (15 hatramin’ny 20 taona) ho an’ny trano mora rehetra nataon’ny fanjakana manerana ny Nosy. Iarahana miasa amin’ny banky izay matihanina amin’ny fampindramana sy fandraisana fandoavam-bola tsikelikely ny fanatanterahana izany.
Tatiana A