Vondrona iraisam-pirenena: nankasitraka ny Firenena mikambana ny filoha Rajoelina

Manga ny lanitra eo amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy sy ny Firenena mikambana. Nanamafy ny hitohizan’izany ny roa tonta nandritra ny fihaonana, omaly, teny Iavoloha.

Tontosa, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fihaonana teo amin’ny mpandrindra ma­haritry ny Firenena mikambana eto Madagasikara, Issa Sanogo, sy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ankoatra ny fanaovam-beloma an’ity mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana ity ny filoha, nisy ihany koa ny jery todiky ny asa niarahan’ny firenena malagasy sy ny sampandraharahan’ny Firenena mi­kam­bana natao. Nisaotra sy nankasitra ity Vondrona iraisam-pirenena ity ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fanohanana ireo asa fampandrosoana natao teto Ma­da­ga­si­ka­ra ary nanamafy hatrany ny fahavononan’i Madagasikara hiara-hiasa.
Sehatra maro no niarahan’ny roa tonta niasa, nandritra izay fe-potoana niasan’i Issa Sanogo teto Madagasikara izay. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahatanterahan’ny fifidianana samihafa teto Madagasikara. Izy ireo izay anisan’ny nanambara ny fahafaham-pony nandritra ireny fifidianana ireny. Ankoatra izay, anisan’ny niseharan’ity vondrona iraisam-pirenena ity teto Madagasikara ihany koa ny mahakasika ny ady amin’ ny tsy fanjarin-tsakafo, ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny ady tamin’ny valanaretina Covid-19. Rantsa-mangaikan’ny Firenena mikambana miisa telo ihany koa no nanatanteraka ny fandaharanasany tao anatin’izay fe-potoam-piasany izay, dia ny Pnud sy ny Unicef ary ny UNFPA . Tanjona tamin’izany ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy.
Voatendry hiasa any Cameroun indray i Issa Sanogo, rehefa niasa nandritra ny 4 taona teto Madagasikara. Raha tsiahivina, ny taona 2020 izy no notendren’i Antonio Guterres, Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, ho mpandrindra maharitra an’ity vondrona iraisam-pirenena ity eto Madagasikara.

Lin

Partager sur: