“Ho anay solombavambahoaka, mila minisitra hanao an’ireo asa tena ilain’ny isam-paritra izahay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ny amin’ny fandrafetana governemanta vaovao sy izay asa andrasana amin’ny minisitra. Inona moa no zavatra andrasana amin’ny governemanta? Hanao an’ireo asa tena mahakasika ny fiainan’ny olona eny ifotony. Anjaran’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ny mijery ny olona heveriny fa hahavita an’izay.
Ho an’ny distrikan’Ikalamavony, ohatra: mila hamboarina ny lalana mampitohy an’i Fianarantsoa sy Ikalamavony. Raha hiresaka an’Ikalamavony, anisan’ny zava-dehibe ny hoe: tokony hampitomboana ny fanaovaona tohodrano manondraka tanimbary. Ahoana moa no hampitomboana ny vokatra, raha tsy hampitomboana ny velaran-tany volena? Ampahany amin’izay heverin-dry zareo hoe tena ilaina izany.
Efa ilazana ry zareo hoe afa-manolotra anarana harotsa-kotendrena ho mpikamban’ny governemanta. Azo eritreretina izay fanolorana anarana izay, araka ny fanazavany. Nohamafisiny fa sarotra ho an’ny depiote tsy mianakina no hitondra fampandrosoana ho an’ny distrika nahavoafidy azy, raha tsy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana.
R. Nd.