Nanakoako ny fidinana ifotony nataon’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talata lasa teo. Nihazakazaka ny fandraisana ny fanapahan-kevitra teny an-dapa. Voakasik’izany avokoa ny mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, ny famotsiam-bola, ny ady amin’ny hosoka sy ny fanararaotam-pahefana.
Samy manadio ny tokotaniny avokoa ny mpiantsehatra eny an-toerana na ny polisy, ny zandary, ny fadin-tseranana, sns. Miridana ny fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasa tao anatin’ny 48 ora. May ambondrona ara-bakiteny, ka milomay mamono ny afo. Misy ny hamehana, andaniny. Misy lavitr’ezaka ankilany.
Zava-dehibe tsy azo atao tsinontsinona ny fomba fiasa matihanina eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Toerana fampisehoana ny maha izy azy an’i Madagasikara izany. Fitaratra amin’ny mandeha na tsy mandeha. Tsy tokony hisy ny antsirambina sy ny tandrevaka. Tsy amin’ny tolotra sy ny asa homena fotsiny fa ilay fifandraisana amin’ny samy maha olona.
Trangam-piarahamonina sady maharary no mahamenatra maro no nisy teny Ivato. Olana anefa hita taratra tsy ho mirindra ny fomba fiasa. Samy mandeha samy mitady ny mpiantsehatra noho ny fanenjehana vokatra ho enti-manao tombana. Zary misy ny fifaninanana « tsy masina » hany ka manjaka ihany koa ny fingampingana madinidinika.
Soa ihany, nisy ny fananganana maika ilay komity handrindra ny fanaraha-maso ny sisintany, noraisin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny alarobia. Heverina fa mba ho ainga vao sy hanatsara endrika an’i Madagasikara ny fepetra noraisina maika ireny. Efa ny Filohan’ny Repoblika rahateo no nitarika ny hetsika, heverina fa hipaka sy hahazo faka ny fanavaozana tiana hatao.
Soa fianatra ny fihetsika tamin’ny talata, ny fananan-tany indray no tena andrasan’ny maro.
r.r