Nigadona omaly maraina any Paris, Frantsa, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hisy fihaonana manokana eo aminy sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, anio hariva. Aorian’izay, hanatrika ireo lanonam-panokafana ny lalao olympika 2024 izay nanasana filoham-pirenena maro izy.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i Madagasiikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny faha-44 an’ireo mpitondra fanjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc ny 17 aogositra ho avy izao. Eo koa Fivoriambe faha-79 ny Firenena mikambana (ONU) any New York, Etazonia, ny 24-30 septambra ho avy izao.
Hanao fitsidihana ara-panjakana any Guinéé-Bissau ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny 29 sy 30 jolay ho avy izao, ary any Angola amin’ny 31 jolay sy ny 1 aogositra ho avy izao, araka ny fampitana am-bava izay nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. Tanjona amin’ny fitsidihana ny hanatsarana ny fifandraisana amin’ireo firenena ireo.
Mpianatra ho mpitsara 20 avy amin’ny sampana ady atao amin’ny fanjakana, ENMG, no miofana eny amin’ny Antenimierandoholona, Anosikely, ny 22-26 jolay. Nampahafantarina azy ireo tamin’izany, ohatra, ny asa aman’andraikitry ny Antenimierandoholona. Eo koa ny fifandraisany amin’ny andrimpanjakana hafa, ny amin’ny fifanolanana amin’ny fanjakana.