Fitaterana an-tariby: hiasa amin’izay ny zotra Anosy-Petite Vitesse

Hiodina tsy ho ela ny zotra teleferika mampitohy an’Anosy sy Petite Vitesse satria efa
tomombana tsara ny ara-teknika sy azo antoka. Mitohy ny asa ho an’ny zotra hafa

Nanao tatitra mahakasika ny fitaterana an-tariby ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard. Nisongadina tamin’izany ny hampandehanana amin’izay ny zotra miala eo Anosy mihazo ny Petite Vitesse.
Efa tomombana izany ankehitriny, izany hoe, azo atokisana. Ireo orinasa matihanina amin’ny fitantanana ara-teknika sy ara-barotra no hampihodina io fitaterana an-tariby io. Hisy ny fandraisana mpiasa sy fametrahana lamina amin’ny famarotana tapakila.
Hisy ny sarany ho fitsinjovana ny mpianatra sy ireo olon-dehibe. Hisy koa ny fandoavana ny sarany isam-bolana. Misy ny fifanarahana amin’ireo orinasa amin’ny fitaterana ireo mpiasa ao aminy…. Isaky ny 20s dia mandalo ny cabine iray hahafahana mitatitra olona. Tsy tokony hisy fitobiana be amin’ny fiandrasana izany fa mandeha tsara.
Any amin’ny taona 2025 any kosa vao tena ho vita tanteraka ny zotra roa ambiny dia ny miala eo Soarano mankany amin’ny La City Ivandry ary ny makany amin’ny Coliseum.
Mamaramparana ny any Analamahitsy sy Ambatobe ny asa ankehitriny.
Efa misy ny paikady sy fanadihadiana amin’ny hamoronana “parc solaire” hamatsy herinaratra manokana ireo fifamoivoizana ireo dia ny TPC sy ny “train urbain” izany. Tanjona ny tsy hampihena ny tolotra sy hampihodina tsara ny fitaterana olona ary hisian’ ny fandriampahalemana.
3 750 000 ny isan’ny olona eto Antananarivo izao ka tsy ho ampy io teleferika sy “train urbain” io aoriana ao ka mbola hitady hevitra amin’ny fitaterana hatrany. Tsy maharaka in­tsony ireo lalana misy amin’
izao fotoana, hoy hatrany ny fanazavana.

Tatiana A

.

Partager sur: