“Foara B to C” : hampihaona ny mpamo­katra sy ny mpanjifa

Ny fisian’ny mpanelanelana matetika no mampiaka-bidy ny entana sy ny vokatra rehefa tody eny amin’ny mpanjifa. Ao anatin’ny “Foara B to C”, hampihaona mivantana ny roa tonta ny hetsika fampirantiana sady varotra ihany koa, izay karakarain’ny NCom Agency. Efatra andro (28-31 aogositra) no handraisan’ny trano heva miisa 100 ny hetsika, ahitana mpamokatra sy mpandraharaha avy eto Analamanga. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena izany. Ny vokatra sy ny entana mampiavaka ny eto Anala­manga no hahazo vahana amin’ny sehatra fito miavaka: lamaody, fahasalamana, momba ny trano, torohevitra sy tolotrasa ary fiofanana, teknolojia vaovao…sakafo mandritra ny hefarana. Azo harahina mivantana amin’ny tambajotran-tserasera koa ny hetsika hisarihana olona betsaka, hoy ny mpikarakara, Rija Tahiana.
Andiany voalohany no hotanterahina eto Analamanga fa hitohy any amin’ny faritra rehetra ny foara miaraka amin’ny mpamokatra ao anatin’ny faritra handray azy.
Manana toerana ao anatin’ny hetsika koa ny zavakanto sy ny lalao samihafa indrindra amin’izao fialantsasatra izao.

Vonjy

Partager sur: