Foara FIA 2024 : hiavaka ny biby tsara karazana sy ny nahandro

Hatao ny 12,13 ary 15 septambra ho avy izao ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA 2024), andiany fahenina, ao anatin’ny vondrona orinasa Hazovato eny amin’ny Zone Forello Tanjombato. Mi­araka mikarakara azy ny orinasa Forello Expo sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Natao, omaly, ny fanavaozana ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Namba­ran-dRtoa sekretera jeneraly ny Minae, Rtoa Raharinomena Fanja, fa anisan’ny hampiavaka ny fanohanana ataon’ny minisitera, ny fisarihana ireo mpandraharaha vahiny handray anjara sy hitsidika ny hetsika. Tanjona ny hanamorana ny fihaonana amin’ny mpandraharaha eto an-toerana. Ankoatra ny mahazatra, toy ny varotra fampirantiana sy ny kaonferansa, anisan’ny hasongadina ny biby fiompy tsara karazana. Eo koa ny fampisehoana ny fomba fahandro sakafo samihafa maneran-tany sy eto an-toerana, sns.
Nanomboka tamin’ny andiany tamin’ny taona 2023 ny fiaraha-miasan’ny Minae sy ny Forello Expo. Manodidina ny 10 000 ny mpitsidika tonga, ka maminavina ny mpikarakara fa hihoatra an’izany amin’ity andiany fahenina ity.

Njaka A.

Partager sur: