INDRAY MIJERY

Efa manomboka miranty eny amin’ny tsenan’ny mpaninjara ireo fitaovam-pianarana samihafa ho an’ny mpianatra hiatrehina ny taom-pianarana vaovao. Mbola ny kahie aloha no tena be mpividy izao satria ireo no marobe ny isan’ny ampiasaina any an-dakilasy, hoy ny mpivarotra. Tsy niova ny vidiny fa ireo tahiry tsy mbola lafo tamin’ny taon-dasa ihany no aroso ho an’ny mpividy.
Manana fiaraha-miasa amin’ny toeram-piofanana arakasa eto Antananarivo ny ONG La Plateforme
amin’ny tetikasa Tantsoroka. Ny vehivavy sy zatovovavy liana amin’ny fiofanana mahakasika ny informatika, haikajy mirindra, fikirakirana herinaratra sy fampandehanan-drano, fikoloana fiara sy kodiaran-droa, ary ny fandrafetana no iantefan’ny tolotra ary afaka manampy ny ONG.
Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 22 septambra izao ny “Tsenabem-paritra Analamanga”, andiany faharoa, izay karakarain’ny governoran’ny faritra Ana­lamanga. Etsy amin’ny kiaja Barea Mahamasina no hanatanterahana ny hetsika. Ireo tantsaha sy mpandraharaha no handray anjara hivarotra ny vokatra.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny hanatanterahana eto Antananarivo ny fikaonandoha momba ny ady amin’ny VIH/Sida aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Ny 22 ka hatramin’ny 24 oktobra no hanatanterahana izany. Handray anjara amin’izany ireo firenena mikambana ao amin’ny COI.

Partager sur: