Kitra –D2 Nasionaly: hifanandrina amin’ny AS St Anne voalohany ny Espoir United

Afaka andro vitsy, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa. Efa vonona tanteraka ny solontenan’Analamanga, AS St Anne.

Tonga omaly, any Vo­hemar, ny AS St Anne Analamanga. Hiatrika ny dingana voalohan’ny fifaninanana diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions” izy ireo, ny 28 jolay – 6 aogositra ho avy izao. Raha ny fandaharam-potoanan’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), ny ekipan’ny Espoir Betsiboka no hihaona amin’ity tompondakan’ Analamanga ity, eo amin’ ny andro voalohany.
Efa niatrika ny fanazaran-tena avy hatrany ny solon­tenan’Analamanga, ary ao anatin’ny heriny avokoa ny mpilalao rehetra raha ny vaovao voaray. Tsiahivina fa ma­nana tanjona goavana ity klioba ity, fanamby mbola apetrak’izy ireo ny hiakatra amin’ny fifaninanam-pirenena “Pure­play Football League (PFL)”.
Tamin’ny taon-dasa, efa nandray anjara ta¬min’ny D2 Nasionaly, ny AS St Anne. Nihintsana teo amin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana izy ireo tamin’izany.

Telo voalohany isam-bondrona
Ankoatra izay, tsara marihina fa amin’ity dingana voalohany ity, miisa efatra ny vondrona ary ahitana klioba enina avy izany. Izay telo voalohany isam-bondrona no miakatra ao amin’ny dingana faharoa. Hozaraina vondrona roa indray ireo klioba 12 tafita ireo ka izay roa voalohany no tafita amin’ny “Poule des AS”, izay hatao lalao mandroso sy miverina.

Fitia Randria

Partager sur: