Fampiarahana ny fampisehoana, ny kitonotono amoron’afo ary ny fihaonan’ny tia sy ny manina ny “Revirevy mody masoandro”. Fiverenana any amin’ny taona maro lasa, anaty vazo miteny koa ho an’ny ankamaroan’ny mpankafy.
Fanandratana irony hira vokatry ny tany… Anisan’ny fampisehoana goavana anadrasan’ny maro indrindra amin’ity faran’ny herinandro ity ny “Revirevy mody masoandro”. Ambohipihaon’ ireo mpankafy ny vazo miteny sy ny hira vokatry ny tany ny fiatsonana malalaky ny CCI Ivato, ny alahady 28 jolay izao, manomboka amin’ny roa ora sy sasany.
“Efa avy niatrika ny famerenana izahay. Hira 10 eo ho eo no eritreretinay hotontosaina miaraka”, hoy i Benny. Mazava izany fa hisy ny fiarahana an-tsehatra eo amin’ny tarika Mahaleo, ry zalahy Lôlô sy ny tariny ary i Samöela, izay notsoingaina manokana hanafana ny andiany faharoa amin’ny hetsika.
“Efa lany avokoa ireo karazana tapakila famandrihana rehetra. Ny tapakila tsotra izay natokana amidy eny an-toerana ihany no sisa”, hoy ny nambaran’ny mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Ny Havana 67 Ha. Mbola manaporofo izany fa be mpankafy ny hetsika.
Raha ny fanazavana hatrany, samy hitondra fampisehoana feno ihany koa ny tarika tsirairay. Mbola manohy mampita sy mampitia ny “Revy Mahaleo” hatrany ry Dama sy Bekoto, hotronin’ireo taranaka. Eo hatrany koa mamelona ny “Revy Lôlô sy ny tariny” i Benny sy i Bebey ary i Nini. Tarika roa efa nomen’i Samoëla voninahitra tanatin’ilay hira tambatra nataony ho an’ny vazo miteny ireo. “Voninahitra lehibe ho an’i Samöela ny hiray sehatra amin’ireto zoky andrarezina ireto”, hoy indrindra izy.
Zo ny Aina