« Samy mande samy miady »: nanomboka omaly ny fampiratiana

Tanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny 23 aogositra 2024, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny varotra fampiratiana «Samy mande samy miady» an’i Andy Jeremy Randriariman­ga, fantatry ny maro amin’ny hoe A.J amin’ny maha mpanakanto azy. Mifantoka kokoa amin’ny «Art Urbain» ity fampiratiana ity. Tanjona amin’izany ny fampahafantarana ny maha izy ity karazana haikanto ity, indrindra amin’ny maha mpanabe sy mpampita hafatra azy. Anisan’ny zavakanto afaka mampita hafatra sy haingana ny «Art Urbain» amin’ny maha zavakanto hita eny an-dalambe sy hitan’ny mason’ny rehetra azy. «Samy mande samy miady», io no lohahevitra sy ezahin’ny mpanakanto aseho amin’ny alalan’ny sary haranty. Mia­vaka sy tena manana ny ma­ha izy azy ity seho ranty ity, satria ny zava-misy iainan’ny vahoaka no atao an-tsary amin’ ny alalan’ny “Art Urbain” ho hitan’ireo tomponandraikitra. Ny olon-drehetra no asainy amin’izao fampiratiana ataony izao, indrindra io vao misandratra amin’ny fanaovana sary amin’ny “Art Urbain” io.

Lin

Partager sur: