Seranam-piaramanidina Ivato : hentitra ny fanadiovana, olona roa no hohadihadiana

Mihatra avy hatrany. Izay ny fepetra iadiana amin’ny kolikoly eny amin’ny serenam-piaramanidina, Ivato, nanaovana filankevitra ny minisitra notarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, afakomaly, taorian’ny fidinana ifotony.

Nomarihiny fa misy anarana tomponandraikitra roa miverimberina amin’ny resaka kolikoly, ka hohadihadiana manokana. Hiato avy hatrany amin’ny asany aloha izy ireo, ary handraisana ny fepetra rehefa voamarina ny fanadihadiana. Misy koa, ohatra, ireo fepetra toy ny hanatsarana sy hanafainganana ny fidirana sy fivoahan’ireo mpandeha eny Ivato sy ireo seranam-piaramanidina hafa mandray vahiny. Hodini­hina sy hohamaivanina ny antontan-taratasy ilaina mom­ba ny vola vahiny miditra sy mivoaka ny sisintany.
Hanendrena “contrôleur général de l’aéroport” ho lehiben’ny fampandehanan-draharaha izay hiova isan’enim-bolana araka izay azo. Hisy toerana fametrahana fitarainana sy laharana maitso azon’ny mpanjifa antsoina eny am-piaingana sy fahatongavana. Hatsaraina ny tolotra ahazoana manao fitarainana, mitoroka tranga kolikoly na fanamparam-pahefana eo an-toerana. Tsy maintsy omem-baliny ny fitarainana rehetra, ahazoana manaporofo misy tokoa ny fandraisana andraikitra ijerena hoe mitombina sa tsia ny fitorohana. Tsy tokony hatahotra hanao fitarainana izay sendra ny tsy rariny fa adidin’ny fitondram-panjakana ny miaro izay manana ny rariny, na ny mpampiasa ny seranam-piaramanidina na ny mpiasa ao aminy. Hotsirihana manokana ireo tomponandraikitra mangeja tsy an-drariny ny pasipaoron’ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: