Tanora Malagasy, mpanatontosa horonantsarimihetsika Randriamiharisoa Fanasina. Mpandresin’ny fifaninanana «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha 19, tao amin’ny sokajy nasionaly, tamin’ny alalan’ny «Engrenage», horonantsarimihetsika notontosainy, no tena nahafantarana azy. Efa mpankafy ny tontolon’ny fanatontosana horonantsary hatramin’izay Randriamiharisoa Fanasina. Maro ny dingana efa nolalovany, ary anisan’ny nofinofiny hatramin’izay ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana eo amin’ny tontolon’ny horonantsary. Marihina fa fandraisana anjara voalohany ho an’ity Malagasy mpanatontosa ity iny, izay efa nandrombahany amboara sahady. 29 Taona Randriamiharisoa Fanasina amin’izao. Nianatra sy nandalina manokana mahakasika ny haino vaky jery teny anivon’ny oniversite tsy miankiana eto Antananarivo izy. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa ahafahany mamita ny fianarany iny horonantsary iny, izay efa nandrombahany ny amboaran’ny MFF. Anisan’ ireo nandray anjara tamin’ny Projet Ony izy, nahafahany nanatontosa izany. Ny Projet Ony izay tetikasa mifototra amin’ny fampivoarana ny zavakanto eto Madagasikara.
Lin