Hiditra amin’ny andro fahadimy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby ho an’ny D1, vehivavy. Fihaonana hatao ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Hifandona ny 3FB sy ny FTM ary ny RCTS Soavimasoandro sy ny ASUT. Eo koa ny fifanandrinan’ny SCB Besarety sy ny FTFA Antohomadinika.
Hatao eto Antananarivo, ny volana aogositra sy ny septambra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano “futsal”. Dimy ny sokajin-taona hifaninanana dia ny U13, U15, U17 ary ny sokajy “vétéran” mihoatra ny 35 taona sy ny mihoatra ny 45 taona.
Hotanterahina any Mahajanga ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ho an’ny basikety sokajy zandriny U14 zazalahy sy zazavavy. Hanomboka ny sabotsy 27 jolay izany ka haharitra hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao. Mialoha izany, hatao ny 26 jolay ny fivoriana teknika ho an’ireo mpandray anjara rehetra.
Ilay teratany Chilianina, mpilalao ping-pong, no zokiny indrindra mandray anjara amin’io taranja io, amin’ny lalao Olympika, tanterahina any Paris France, manomboka ny zoma ho avy izao. Efa 58 taona izy ary mieritreritra ny handrombaka ny medaly volamena,
amin’izany. Faniriana efa tao anatiny, hatramin’ny fahakeliny izany.