“Gasy Band” ao amin’ny Piment Café Behoririka. Taorian’ny fihodinana nataon-dry zalahy tany ivelany, manome fotoana ireo mpankafy azy indray ny tarika, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Malalaka sy mivelatra be ny hira halahatry ry Poon, Jimmi Harrison, Rolly Rabesata ary i Tojo amin’io.
“Smile Party” ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fotoana efa ifanomezana isaky ny vita bacc ihany koa izy ity. Hanafana ny fotoana anio alina ireo mpikosoka kapila mivondrona ao amin’ny RDJ’s Team, tarihin’i Jay Taxx. Hisy karazany maro ny fialamboly ao, na dia mifototra amin’ny fampandihizana aza izany.
Mitombo hatrany ireo mpanakanto vahiny tonga manao fivahinianana, manatontosa fikarohana sy famoronana eny amin’ny Fondation H Ambatomena. Taorian’i Justine Gaga avy any Cameroun. Tonga nanampy isa azy ihany koa i Enam Gbewonyo. Samy manana ny zavakanto iangaliny moa izy ireo saingy misy hatrany ny fifanakalozana sy fiaraha-miasa.
Tanterahina ny 27 jolay 2024, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny “Ndao ilalao”, andiany fahatelo. “Manako ny kanton’ny dihy”. Io no lohahevitry ny hetsika amin’ity andiany fahatelo ity. Ny mpianatra avy ao amin’ny Danse Kids no hiantsehatra mandritra ity hetsika ity ary karazana dihy maro samihafa no ho hita mandritra izany.