Tsipy kanetibe: tapakila roa ho any La Réunion izay tompondaka

Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao, etsy Tongarivo Tanjom­bato, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja tsipy ka­netibe, ho an’olon-droa miaraka, lahy sy vavy. Ho an’ny so­ka­jy “se­niors” lehilahy, mahazo tapakila roa, mandroso sy mi­verina, makatsy amin’ny nosy rahavavy La Réunion, izay voahosotra ho tompondaka amin’izany.
Hahazo lelavola 1 tapitrisa Ar sy medaly kosa izay mahazo ny laharana faharoa.
Ary 350 000 Ar ny an’ireo ekipa mahazo ny fahatelo sy fahefatra.
Ankoatra izay, misy ihany koa ny sokajy hafa toy ny vehi­vavy sy ny zandriny ary ny zokiny, vétérans. Tolorana vola, 700 000 Ar sy amboara, izay voalohany amin’izany.
Tsara marihina fa ny 29 jolay – 1 aogositra ho avy izao no fe-potoana omen’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny tsipy ka­netibe (FSBM), ho an’ny fisoratana anarana. Nilaza ny teo anivon’ny FSBM fa ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ihany no afaka mandray anjara amin’ity fifanintsanana na­sionaly ity.

F.R

Partager sur: