Tsy mety mandroso: firenena « Be tokony… » i Madagasikara

Manan-karem-be i Madagasikara… Noho izany, tokony manan-karena ihany koa ny Malagasy monina eo amin’ny. Be loatra ny soatoavina malagasy no niova endrika. Tokony harenina izy ireny… Rakotra « tokony » ny fiainan-dRamalagasy.

Efa ela no nandrenesana fa “tokony” ho sivanina ihany ny tazan’ny maso sy ren’ny sofina amin’ny Televiziona sy ny Radio. Zovy no tsy niteny fa “tokony” homena lanja bebe kokoa ny kolontsaina malagasy raha oharina amin’ny an’ny vahiny, na eo amin’ny sehatra tahaka inona na toa inona ahafaha-manatanteraka izany.
Izay rehetra misoka-bava milaza avokoa fa vao kely ny zaza dia “tokony” hotezaina amin’ny alalan’ny kolontsaina malagasy mba hatsapany fa Malagasy izy ary i Madagasikara no tanindrazany… Saingy mijanona hatreo amin’ny am-bava na fanambarana na filazana na fanehoan-kevitra ireny rehetra ireny. Ampahany amin’ny zava-mianjady amin’ny kolontsaina sy riba ary zavakanto malagasy ihany ireo. Lany fotoana sy ron-doha amin’ny “tokony…” ny Malagasy.
Tsy hita taratra mihitsy izay ezaka natao fa ny teo ihany no eo. Sanatria tsy misy Malagasy afaka mandray fanapahan-kevitra hanova ny “tokony…” ho tena asa mivaingana mihitsy ve? Ohatra, nahoana ny zaza malagasy nateraka malagasy no tsy sahin’ireo ray aman-dreny ampitondraina anarana malagasy madio? Tsy ilaina lalàna na didy angamba ny fanatanterahana izany fa miankina tanteraka amin’ireo nahitana masoandro.

Mila mitady vahaolana haingana
Mba hialana amin’ny “tokony…” tsy manam-piafarana, ilaina ny mitady vahaolana haingana. Raha tsy izany, miaina ao anaty nofinofy ny androatokon’andron-dRamalagasy. Antony iray tsy miteraka fandrosoana, tsy amin’ny kolontsaina sy riba ary zavakanto ihany fa mipaka hatrany amin’ny firenena iray manontolo mihitsy.
Azo ampiasaina, ohatra, ny lalàna. Avy amin’io no handrarana ny tsy azo atao sy ny tsy maintsy atao. Ampahatsiahivina sy ampahafantarina ihany koa ny fisian’ny soatoavina sy ny kolontsaina malagasy. Ireo no lamina voajanahary nampirindra ny fiarahamonina malagasy. Anisan’izany ny fady, ozona, sns.
“Tokony” avela hatreto ny “tokony…” fa “tokony” ho sahy mandray fanapahan-kevitra matotra sy hentitra ny tsirairay… Ary toa tsy mety miala mihitsy ilay “tokony…”? Sao mba tsy tokony ho tenenina intsony ny “tokony…”. Andao andramana!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: