Vinavinan’ny fanjakana : andrasana ny mpizahatany 970 000 amin’ity taona ity

Fepetra noraisin’ny filoha Rajoelina hanatsarana ny fitantanana sy ny fikarakarana ny mpandeha eny amin’ny seranam-piaramanidina ny fidinany teny ifotony, ny talata 23 jolay teo. Ny ampitson’io, noresahina ity tranga ity teny amin’ny filankevitry ny minisitra, notarihiny. Nohamafisina tao amin’ny fampitana am-bava, fa « mila hatsaraina ny fomba fiasa, indrindra amin’izao fahatongavan’ny sidina mi­vantana mampitohy an’Antananarivo sy Dubaï izao. Vinavinaina hahatratra 970 000 hatramin’ny 1 000 000 ny mpizahatany amin’ity taona 2024 ity ».
Tsiahivina fa hisokatra voa­lohany amin’ny 3 septambra 2024 ho avy izao ny zotra ana habakabaka mampitohy mivantana an’Antananarivo sy Dubaï, mandalo Seychelles. Hitondra fiovana goavana amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fivezivezena amin’ny fiaramanidina izany.
Tsy maintsy misy ny fe­petra hentitra raisina, hiomanana amin’ireo rehetra ireo. Vao tamin’ity herinandro ity
ny fi­dinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena mahakasika ny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Efa nilaza koa izy ny hananganana trano fandraisam-bahiny lehibe avo lenta kintana 5. Ma­nampy ireo ny fandaminana ny zotra ana habakabaka anatiny, hampitomboana isa ny fiaramanidin’ny Madagas­car Airlines, nanafarana kojakoja entina hanamboarana ireo simba.

Partager sur: