ACMIL : 10 taona ny andiany mivantana faha-35

Mankalaza ny nivoahany tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, ny 25 jolay teo ny andiany mivantana faha-35 misalotra ny anarana «Hiratra». Ny faha-10 taonan’ireto andiany ireto ity nomarihin’izy ireo tao Antsirabe ity. Nisy, araka izany, ireo hetsika samihafa natao hanamarihana ity tsingerintaona ity, toy ny fanolorana mari-pahatsiarovana amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa misy ao amin’ny sekoly mba ho tsangambaton’izany fankalazana izany. Maro ny dingana lalovan’ireo mpianatra vao mivoaka ao amin’ny Acmil. Araka izany, nomarihina tamin’ny lanonana ny fahatsiarovana ny lalana rehetra nodiavina tao amin’ny sekoly. Ny Kly Rabenjarison Mamiarivelo Jacquelinat, mpibaiko ny andiany «commandant de promotion» sy ny ombimangan’ny andiany, ny Kapiteny Ranaliarivo no nitarika izany fotoana izany.
Nanotrona izany ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandarimariam-pirenena nahitana ny kaomanidin’ny Fari-piarovana sy filaminana Tsiafajavona, ny Jly Rafalimanana Léonard Gabriel sy ny kaomandin’ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo, ny Kly Randrianarimasy Radosoa. Nandray azy ireo sy nanome voninahitra ny lanonana ny kaomandin’ny Acmil ny Jly Ratsarahevitra Andriamisetra.

Jean Claude

Partager sur: