Distrikan’Andramasina : omby vositra roa norobain’ny dahalo

Nanaovan’ny dahalo rotsaka alina, norobain’izy ireo ny omby vositra roa tao amin’ny fokontany Ambodivato, kaominina Ambohimiadana , distrikan’ Andramasina, afakomaly. Tsy nahare na inona na inona ny tompon’ omby nandritra ny alina. Nifoha maraina, hataraina ny azy ireo nahita ny valan’ omby efa nadiodio. Nanjavona tao anatin’ny tranony ireo omby vositra roa lehibe. Nanao fitarainana teo anivon’ ny mpitandro filaminana avy hatrany nanoloana io tranga io izy ireo. Niezaka nokarohina teny amin’ny manodidina ireo omby saingy tsy nahitam-bokany. Ankoatra io, omby roa hafa koa lasan’ny olon-dratsy tao amin’ny tanànan’i Marohova, kaominina Mangatany, distrikan’i Fenoa­rivobe, ny alin’ny alakamisy 25 jolay teo. Nanara-dia ny fokonolona ka hita tany amin’ny 20 km ivelan’ny tanàna ny iray tamin’ireo omby. Hifam­pitadiavana ny namany.

Tsiferana R.

Partager sur: