Échecs – Mada 2024 : hiadiana ny tapakila handehanana any Tunisie

Nahavory ankizy maro ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja échecs, izay natao teto an-dRenivohitra, nanomboka omaly. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Tunisie izay mahazo ny laharana voalohany isan-tsokajy.

Notanterahina nanomboka omaly, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ ny kianja mitafon’ny Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara taranja échecs, sokajy U7 hatramin’ny U17, lahy sy vavy. Zava-dehibe tokoa ity fifanintsanana ity, satria misolo tena an’i Madagasikara
amin’ny fifaninanana Afrika­nina, izay hatao any Tunisie, ny taona 2025, izay tompondaka isan-tsokajy.

Araka ny fanazavana azo tamin-dRambolamalalatiana Haja, tale teknika nasionalin’ ny (DTN) Federasiona ma­lagasin’ny lalao Échecs (FME), omaly, nahatratra 102 mianadahy, ny isan’ireo ankizy mpandray anjara tamin’ity andiany ity. Avy amin’ny ligin’ Analamanga, Bongolava, Amoron’i Mania ary Alaotra Mangoro, izy ireo.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa hatao any Toliara, ny 10-15 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana nasionaly ho an’ny sokajy “seniors”, lahy sy vavy, raha tsy misy ny fiovana farany eo anivon’ny Federasiona.

Olympiade d’Échecs
Hiatrika ny lalao “Olym­pi­ade d’ Échecs”, any Budapest Hongrie, ny 10-23 septambra ho avy io, ny Malagasy. Manana ekipa roa, lahy sy vavy i Madagasikara. Misy mpilalao dimy ny sokajy lehilahy ary dimy ihany koa ny an’ny vehivavy. Tsiahivina fa nandray anjara tamin’ity “Olympiade d’ Échecs” ity i Madagasikara, ny taona 2022 lasa teo, tany Chennai Inde.

Fitia Randria

Partager sur: