Toerana mahasarika mpizahantany ny ao Nosy Be Hell Ville. Misarika ny saina ihany koa amin’ny fanararaotana atao amin’ireo tovovavy. Hijoro amin’ny ady amin’ny tranga fanararaotana miendrika famarinana olona ireo tomponandraikitra.
Hotanterahina any Nosy Be Hell Ville ny 29 ka hatramin’ny 31 jolay izao ny fanamarihana ny andro maneran-tany hiadiana amin’ ny famarinan’olona. Ho fihomanana amin’izany, nomena fiofanana mahakasika ny ady amin’ny famarinana olona ireo lehiben’ny boriborintany sy sefo fokontany ao amin’ireo faritra ahitana tranga mampiahiahy sy ahitana tranga famarinana olona amin’ny endriny samihafa any an-toerana.
Nampahafantarina azy ireo ny karazana tranga mety hiseho eny anivon’ny fiarahamonina, izay endrika mivantana na ankolaka amin’ny famarinana olona. Naseho ny karazana singa mandrafitra izany tranga izany sy ny fandraisana andraikitra andrasana amin’izy ireo hisorohana ny loza sy ny fahavoazana.
Ady iombonana ny famarinana olona izay miseho indrindra any amin’ny toerana mahasarika mpizahantany. Anisan’ny isehoan’ ny fanararaotana ataon’ny mpizahantany ireo tovovavikely ary toa mitazam-potsiny ireo ray aman-dreny sy ireo olobe ao amin’ilay tanàna. Toa zary lasa fahazarana ny mahita ny famiravirana ny ankizivavy ka tsy mahateny intsony ny fiarahamonina.
Loza mitatao na efa mihatra amin’ireo ankizivavy anefa ireny ka mila mijoro mandray andraikitra ny rehetra, sahy miteny, miaro mba tsy hahatonga alavitra ny fahavoazan’ilay ankizy.
Hisy ny fidinana ifotony fanaraha-maso ny fampiharana hanamafisana ny ady amin’ny famarinana olona.
Tafiditra ao anatin’ny famarinana olombelona ny fanararaotana ny fivarotan-tena, fanararaotana amin’ny asa ato an-trano, fanararaotana ny hataka ataon’olona, asa an-tery sy fampiasana mifandraika amin’ny fanandevozana. Eo koa ny fanambadiana an-tery, ny famarotana olona, ny fanaovana asa ho fanefana trosa, ny fananganan-jaza tsy ara-dalàna, ny fanondranana taova… Eo indrindra koa ny fanararaotana ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona hatao ho loharanom-bola.
Tatiana A