Fanohanana maharitra

 

Mahoraka maneran-tany ny lalao olympika atao any Paris, renivohitr’i Frantsa. Raha ny hita amin’ny tambajotran-tserasera dia ambohimpihaonan’ny zanakolombelona ity renivohitry ny “fanazavana” ity. Mahatonga solontena avokoa ny kaontinanta dimy. Ankoatra ny delegasiona izay ahitana ny mpilalao sy ny mpanotrona, mpameno tanàna ny mpizahantany. Manginy fotsiny ireo mpanefoefo mpandraharaha.
Manana solontena any an-toerana i Madagasikara. Misy atleta fito izay hilomano, hihazakazaka, sy hibata fonjamby, ary hiakatra “tatami”. Toy ny mpandray anjara rehetra dia ambony ny fanantenana amin’ny handrombahana medaly. Izay mino sy matoky rahateo no mahomby amin’ny fiainana. Efa samy nanome izay tsara indrindra avy aminy matoa tafakatra amin’ny lalao olympika.
Anisan’ny any an-toerana nanatrika ny lanonam-panokafana ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Sady hery lehibe ho an’ny atleta izany no dokambarotra ihany koa ho an’ny firenena. Antenaina fa ho herijika enti-manohana misimisy kokoa  ny fanatanjahantena eto amintsika koa izany.
Araraotina hisintonana lakolosy amin’ny fanjakana mba hijerena ny mpanao fanatanjahantena eto amintsika ity resaka Lalao olympika ity. Firifiry amin’ny atleta nanana ny maha izy azy no zary anjorombala sy hadino tanteraka amin’izao fotoana izao. Tokony hisy ny tetikasa manokana ho azy ireny. Manomboka amin’ny fanohanana ny taniketsa izany, hatrany amin’ny efa misotro ronono. Antoka iray ahazom-bokatra tsara rahateo ny fanomezana fitaovana sy fanohanana maharitra.

r.r

Partager sur: