Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, afakomaly, ny mpanao politika Soja Jean André na Kelata. Filoha mpanangana ny antoko politika Liarake izy, ary mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika nanomboka tamin’ny taona 2022. Efa loholona sy mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) koa izy, ary mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany.
Ao anatin’ny fankalaza ny faha-52 taonan’ny fifandraisana diplaomatikan’i Chine sy i Madagasikara : tonga tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana, omaly, ny sambo-hopitaly sinoa “He Ping Fang Zhou”, mitondra ny anarana hoe “Arche de la paix”, izay miantsehatra amin’ny asa fitsinjovana ny maha olona: hitsabo maimaimpoana mandritra ny herinandro, ary mandray olona 700 isan’andro.
Nandray ny Sambo Sinoa “He Ping Fang Zhou”, ny Praiminisitra, Ntsay Christian, niaraka tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Sambo izay hisehatra manokana amin’ny fitsinjovana ny maha olona. Ny fitsinjovana ny maha olona izay anisan’ireo fototra ijoroan’izao fitondrana izao.
SEM Oliver Knoerich indray no masoivohon’i Allemagne, miasa sy monina eto amintsika manomboka izao. Izy indray, araka izany, no hanohy ny asan’i SEM Michael Derus. Ankoatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny famokarana angovo. Hisy ny fanatsarana sy fivelarana amin’ny sehatra hafa.