Fihaonan’ny filoha Rajoelina sy i Macron : niompana tamin’ny fampirobo­roboana ny lafiny toekarena

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny firenena Frantsay. Mbola
hampitombo ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra ny angovo ny firenena roa tonta.

Tontosa omaly, tao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, Frantsa, ny fi­haonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Tanjona ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Mada­gasikara sy i Frantsa. Anisan’ ny tena nisongadina tao anatin’izany kosa ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho fampiroboroboana ny lafiny toekarena, sahala amin’ny tetikasa fa­namboarana ivon-toerana mpamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny rano, izay anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny fampitomboana ny famokarana angovo manerana ny Nosy.
Niompana kokoa tamin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena ny fihaonana teo amin’ireto filoham-pirenena roa ireto. Tanjona ihany koa ny hanatrarana ny fahataran’i Madagasikara amin’ny famokarana angovo azo havaozina. Iarahana mahalalala ny olana misy eto amintsika noho izay tsy fahampian’ny angovo izay. Marihina anefa fa ani­san’ ireo firenena manana loharanon-karena voajanahary, ahafahana mamokatra angovo i Madagasikara. Izany indrindra no maha laharam-pahamehana izany tetikasa izany.
Ankoatra izay, niresaka mahakasika ny fihaonana an-tampony ho an’ireo Mpitondra fanjakana eo anivon’ny Vao­mieran’ny Ranomasimbe In­dianina (COI), ihany koa ny filoha roa tonta. Fihaonana izay horaisin’i Madagasikara, amin’ny maha Sekretera jeneralin’ity vondrona ity an’i Madagasikara, amin’ny alalan-dRazafindravahy Edgard. Anisan’ny hiatrika izany fihaonana izany ihany koa ny filoha frantsay, araka ny fanasana manokana nataon’ny filoha Rajoelina Andry azy.

Lin

Partager sur: