Fizahantany : nahatratra 1 828 ny mpitsidika an’Isalo

Anisan’ny toerana tena be mpitsidika ny valanjavaboa­harin’Isalo, faritra Ihorombe. Manana tontolo voahary miavaka tsy fahita raha tsy any an-toerana. Tsy mitsaha-mi­tombo ny mpizahantany tonga any Isalo, izay niakatra 9% tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny 2023. Naha­tratra 1 828 ny mpitsidika nanomboka ny janoary hatramin’ny jona 2024, raha 1 650, nandritra ireo enim-bolana ireo ny taona 2023. Teratany vahiny ny 1 309 tamin’ireo ary 519 kosa ny monina eto Madagasikara, midika fa ma­haliana ny Malagasy koa ny mizaha tany eto an-toerana. Ho an’ny taona 2023, nahatratra 1 142 ny vahiny nitsidika an’Isalo raha 508 ny monina eto Madagasikara.

Tambajotra Geopark Network

Nambaran’ny talen’ny Va­lanjavaboahary Isalo, Rako­toa­rivelo Jacques, fa nampidirina any amin’ny Unesco, ny antontan-taratasy ho ao anatin’ny tambajotra iraisam-pirenena mikasika ny fizahantany ara-jeolojia (Global Geopark Network), ny any Isalo. Raha tsy misy ny fiovana, ho isan’ny mpikambana ao anaty tambajotra ity valanjavaboahary ity amin’ny taona 2026. Ao anatin’izany ny fanasongadinana ny firafitry sy ny endriky ny toe-tany sy ny toe-bato samihafa hita ao anatin’ny valanjavaboahary. Eo koa, ny kolontsaina sy ny firafitry ny soson-tany na paleontolojia.
Anisan’ny mampiavaka an’Isalo koa ny zohin’ny portugais, ny fasana Bara sy ny fasana sakalava, sns.

Njaka A.

Partager sur: