Fomba sy kolontsaina : marihina any Ankaratra ny «Alahasatibe»

Taorian’ny fankalazana ny Alahamadibe, hiroso amin’ny fanamarihana ny «Alahasa­tibe 2024» ny vondrona «Tsy ma­mo­rona fa mamelo-ma­so ». Ny 4 aogositra hatramin’ ny 09 Aogositra no hanatanterahana izany any Ankaratra. Ala­ha­sa­ti­be na «Andron’ody», manana fototra ho fanovozan-kery avy amin’ny hazo sy ny rano mba ho masim-bava mi­teny sy hahamasin-tana-mandray.
«Ankaratra no nofidina ha­natanterahana ny fankalazana ny ivon’ny «Alahasatibe 2024» noho izy manan-kasina», hoy Rakotoarimanga Olivier, mpikambana sy mpandrindra eo anivon’ny Von­dro­na «Tsy mamorona fa mamelo-maso». Fandaharam-poto­a­na eny an-toerana ny «lamalama» (fiantsoana ireo fanahy), fidiovana amin’ny ranon’ Ankaratra sy eny amin’ny farihy mamanala. Fanasinana amin’ny toerana maromaro ao anatin’ny Vohitr’Ankaratra. Fa­na­tanterahana ny «Joro Ala­ha­saty» amin’ny alalan’ny fa­mo­noana omby ny alarobia 7 Aogositra, eny Anosiarivo, ivon’Ankaratra. Fantatra fa any amin’ny volana desambra no hankalaza ny «Alakaosibe  ny vondrona «Tsy mamorona fa mamelo-maso».

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Partager sur: