Gadona Rock : hamoaka ny rakikira fahefatra ny tarika Duzzy Brains

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny tarika Duzzy Brains. Hiezaka hivelatra kokoa amin’ny eto Madagasikara ny tarika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Kudéta Anosy, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny tarika Duzzy Brains. Tao anatin’izany no nampahafantarana misimisy kokoa ny tarika sy nilazana ny mahakasika ny fandaharam-potoanan’izy ireo, indrindra ny mahakasika ny rakikira «Maso mahita» ho avoakan’ny tarika. Rakikira fahefatry ny tarika ity vao havoaka ity, ahitana hira miisa 12. Vinavinain’ny tarika ho ny tapaky ny volana septambra 2024, no hamoahana manontolo ity rakikira ity. Miresaka ny zava-misy eto Madaga­si­kara, amin’ny alalan’ireo tononkira somary mivantana kokoa, araka ny nambaran’ny Tomponandraikitry ny tarika.
Niezaka nitodika misimisy kokoa aty Madagasikara ny tarika, tamin’ity rakikira fahefatra “Maso mahita” ity. Amin’ ny ankapobeny, manatsikafona ireo tsy fetezan-javatra eto an-toerana, ary nataon’ny tarika somary mivantana kokoa ny tononkira. Tsy miala amin’ ny fanabeazana sy fitaizana anefa izy ireo ao anatin’izany. Fampahatongavan-tsaina ny olona no tanjona amin’ny ankapobeny. Tanjona manokan’ny tarika kosa ny hisarihina mpankafy misimisy kokoa eto Madagasikara. “Tsy miala amin’ny maha izy ny tarika hatramin’izay ny hira hita ao amin’ity rakikira ity saingy nasiana fanatsarana sy nampifanarahana amin’iny fivoarana sy ny zava-misy ankehitriny fotsiny”, hoy Eddie, mpikambana eo anivon’ny tarika Duzzy Brains.
Tarika miangaly ny gadona Rock isan-karazany, ny Duzzy Brains. Ny taona 2011 no nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny mozika matihanina ny tarika. Vitsy no mahalala ny tarika raha ho an’ny eto Madagasikara ma­no­kana. Ny tarika ihany koa izay mifantoka kokoa amin’ny mpankafy azy any ivelany. “Tsy mahavelona ny mozika izay iangalianay raha mifototra eto Madagasikara izahay. Ahitanay tombony kokoa ny fifantohana any ivelanay noho ny eto an-toera ”, hoy hatrany i Eddie.

Lin

Partager sur: