INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina
hijanona ho ambony hatrany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. Tokony hitandrina ireo olona marefo amin’ny izany. Mijanona ho ambony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo amin’izao faran’ny herinandro izao. Avo telo heny hatramin’ny efatra heny ny fetran’ny OMS ny refy rehetra voaray ka mankarary ireo olona marefo. Hafana hatrany ny andro manerana ny Nosy fa ny alina sy ny vao maraina no mbola hitoetra ny hatsiaka indrindra ho an’ny afovoan-tany.

Mbola mitoby sy miparitaka manapaka lalana
ny fako eto an-dRenivohitra ka manahirana ny mpampiasa lalana indrindra amin’ny alina. Miteraka fofona ratsy koa ho an’ireo trano miorina manodidina ny toerana maro ny fanatobiana fako.

Tsikaritra tato ho ato fa misy olona manao
antso tany amidy eny avaratry ny Cité universitaire R+3 Andrainjato (Fianarantsoa), ka nanambara ny tomponandraikitra fa tanin’ny oniversite ireo misy mivarotra ireo. Io tany io dia efa “affecte” amin’ny oniversite hatramin’ny taona 1997 ary tsy azo angatahina intsony, misandoka izay milaza fa manan-jo hitompo ny tany. Ny olona izay efa nampiasa io tany io dia efa nahazahoana didy avy amin’ny fitsarana ny hanesorana azy ireo.

Nifarana omaly ny fiofanan’ireo mpianatra ho Mpitsara ao amin’ny Sekoly ambony mampiofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha eny anivon’ny Fitsarana (ENMG) teo anivon’ny antenimieran-doholona. Notolorana taratasy fanamaninana ny fahavitana ny fizaran’asa avokoa ireo mpianatra nandritra izany. Marihina fa sampam-piofanan’ny mpitsara misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ny natrehan’izy ireo.

Partager sur: