Kimony Morondava : velaran-tany 6 ha nambolena honko

Nankalazaina ny 25 jolay teo, tany amin’ny ala Kimony Morondava, ny Andro iraisam-pirenena ho firaovana ny rohivoahary ala honko. Tanjona, ny hanarenana velaran-tany 6 ha, iarahana amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI), miisa 130 any amin’ny faritra Menabe sy Melaky. Nitarika ny fotoana ny governoran’ny faritra Menabe sy Melaky, notronin’ny tomponandraikitry ny fitantanam- paritry ny Tontolo iainana (Dredd) sy ny ao amin’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga (DRPEB), ary indrindra ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF).
Tsiahivina fa mirefy 30 000 ha ny velaran’ny ala honko any amin’ny faritra Menabe sy Melaky. Mamelona ny velontenan’ny mponina ny harena an-dranomasina.

Njaka A.

Partager sur: