Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tao Paris France, ny lalao Olympika 2024. Firenena 206 no hiady medaly volamena amin’ny taranja 47. Anisan’ireo i Madagasikara. Hisantatra ny fiakarana an-tsehatra, Raharvel Jonathan eo amin’ny taranja lomano.
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny lalao Olympika 2024, notanterahina tao amin’ny reniranon’i Seine, omaly, avy hatrany dia hiatrika ny fifaninanana ny atleta malagasy, anio. Hiatrika izany voalohany, Raharvel Jonathan eo amin’ny taranja lomano. Ao amin’ny dobo filomanosana Paris La Défense Arena no hiatrehany izany. Hisantarany izany ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny “100 m brasse”. Ao amin’ny sokajy faharoa no misy azy. Raha afaka eo izy dia hiatrika avy hatrany ny manasa-dalana atao amin’ity anio ity. Rahampitso alahady kosa ny famaranana.
Rahampitso alahady ihany koa, ny anjaran-dRakotoarimanana Fabio, eo amin’ny taranja ping-pong ka avy hatrany dia hanao ny dingana 1/32-ndalana izy, hifandona amin’ilay Egyptianina, Omar Assar. Hiditra amin’ny 1/16-ndalana izy raha mandresy eo ny talata 30 jolay. Fihaonana hatao ao amin’ny Arena Paris Sud 4.
Raha hiverenana kosa ny lanonam-panokafana, omaly, niavaka satria tsy tao anaty kianja toy ny mahazatra fa teny ambony rano no nilaharan’ireo atleta mandray anjara amin’ity lalao Olympika ity. Nandeha tamin’ny sambo miisa 85 mantsy ireo delegasionan’ny firenena 206 manerana ny vazantany efatra.
Nisantatra ny filaharana ny sambo nitondra an-dry zareo Grika noho izy ireo namorona ity lalao Olympika ity. Nandeha araka ny filaharana alfabetika avy eo ny mpandray anjara. Namarana ary nanakatona izany ny delegasiona frantsay noho izy ireo mpampiantrano. Tsiahivina fa nitondra ny sainam-pirenena ho an’ i Madagasikara Randafiarison Rosina, mpibata fonjamby.
Tompondaka