Nitrangana fanafihana taxi-borosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6), ny talata teo. Tao Manerinerina Avaratra no nitranga ny fanafihana, araka ny fanazavan’ireo mpandeha tao amin’ilay taxi-borosy. Fiara miasa ao amin’ny kaoperativa iray mampitohy an’i Mahajanga sy Manerinerina Avaratra ity nisy nanafika ity. Voalaza fa avy any Mahajanga ilay taxi-borosy tamin’io fotoana io. Nanao sakan-dalana tamin’ny vato sy hazobe ireo dahalo. Nanao izay ho afany tamin’ny fiarovana ny ain’ireo mpandeha ny mpamily ka afaka tamin’ny sakana nataon’ireo malaso. Avotra soa aman-tsara ireo mpandeha rehetra. Tsy nahazo na inona na inona kosa ireo dahalo. Ankoatra ny sakan-dalana, nitoraka ihany koa ireo dahalo saingy tafavoaka ihany ireo taxi-borosy. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’ireo mpandeha. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. nanao fanadihadiana. Anisan’ireo mahatonga ny asan-dahalo koa ny lalana ratsy amin’iny RN 6 iny.
J.C