Rugby – «Federale 2» : hidona ny JSTA sy ny Stade

Hianoka lalao goavana indray ny mpitia taranja rugby, manomboka rahampitso. Etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena no hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Fédéral 2”. Miisa 4 ny fandaharan-dalao voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny JSTA Ambondrona sy ny Stade Olympique de l’Emyrne (SOE). Ekipa diso mifankahalala tsara saingy hanala vela amin’ity ry zareo Ambondrona.
Fileovana manana ny fahaiza-manaony Ambondrona saingy manana traikefa ihany koa ny Stade. Ho resy, araka izany, izay ekipa diso teknika amin’ity. Ankoatra izay, hifanazava ny samy kartie hifandonan’ny FTAT Anosibe sy ny Afa Ankazomanga. Ekipa samy manana ny fomba filalaony ka tsy hifampikoso-maso amin’ity indray mitoraka ity.

Mbola ady tsy vita ihany koa ny an’ny 3F5 Amboditsiry sy ny XV Family (Vondrona). Klioba roa manana mpilalao tanora sy matanjaka. Hiendrika famaranana kely ny lalaon’ny roa tonta. Hisantatra ny fihaonana ny an’ny XV Avenir Andohatapenaka sy ny Rosa Antohomadinika.

Tompondaka

Partager sur: