Fampianarana ao anatin’ny iray volana ! Manomboka manana ny lazany io ao anatin’izao fialantsasatry ny mpianatra izao. Inona no hay ao anatin’ ny iray volana ? Ny fototra amin’ny fikabariana, fitendrena zavamaneno, filalaovana fanorona, sns. Dia avy eo… Miankina amin’ny mpianatra ny hanohy na tsia. Hatreo amin’io dingana io, mety hisy fahamarinany fa ilay milaza fa : «raha vitanao io iray volana io, mahay ianao» ! Io no sarotra tanterahina !
Hifarana, anio, ny taom-piasana 2023 – 2024 ho an’ny Akademia Malagasy. Amin’ny alalan’ ny lanonana eny Tsimbazaza (Lapan’ny Akademia Malagasy) no hanakatonana izany. Hisy ny seho kanto «Lyra sy Angola», hiarahana amin’ny Icanto sy ny Angolan’Imerina, manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Hetsika maro no hameno ny faran’ny
herinandro. Anisan’izany ny eny amin’ny kianja Mahamasina iarahana amin’ny Olombelo Ricky, eo ihany koa ny ao amin’ny PK O Soarano, miaraka amin’i Agrad sy i Tsota. Tsy hadino ihany koa ny “Independen’za”, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo.
Tsy ambakan’izany ihany koa ny alahady amin’ny alalan’ny fampisehoana “Géneration 2000”, iarahana amin’ny mpanakanto maro, nanamarika ny taona 2000. Eo ihany koa ny “Revy revy ambony tamboha”, eny amin’ny CCI Ivato, iarahana amin’i Mahaleo, Lolo sy ny tariny ary Samöela. Tsy hadino ny eny amin’ny Kianja Maitso Analamahintsy, ho an’ny mpankafy Rap Old School.